Salamo 67 Malagasy Bible (MG1865)

Fanirian'ny olo-marina mba hanaiky an'Andriamanitra avokoa ny firenena rehetra

1. Ho an'ny mpiventy hira. Hampiarahina amin'ny valiha. Salamo. Tonon-kira. Andriamanitra anie hamindra fo aminay sy hitahy anay; hampamirapiratra ny tavany aminay anie Izy;

2. Mba ho fantatra etỳ ambonin'ny tany ny lalanao sy ny famonjenao any amin'ny jentilisa rehetra.

3. Hidera Anao ny firenena, Andriamanitra ô; eny, hidera Anao ny firenena rehetra.

4. Hifaly sy hihoby ny firenentsamy hafa, Satria mitsara marina ny firenena Hianao; ny firenen-tsamy hafa ambonin'ny tany dia entinao;

5. Hidera Anao ny firenena, Andriamanitra ô; eny, hidera Anao ny firenena rehetra.

6. Ny tany efa nahavokatra; mitahy antsika Andriamanitra, dia Andriamanitsika.

7. Mitahy antsika Andriamanitra; ary hatahotra Azy ny vazan-tany rehetra.