Salamo 134 Malagasy Bible (MG1865)

Hira ho fisaorana an'i Jehovah amin'ny alina

1. Fihirana fiakarana. Andeha, misaora an'i Jehovah, ianareo rehetra mpanompon'i Jehovah, Izay mitoetra alina ao an-tranon'i Jehovah.

2. Manandrata ny tananareo ho amin'ny fitoerana masina, Ka misaora an'i Jehovah.

3. Hitahy anao avy ao Ziona anie Jehovah Mpanao ny lanitra sy ny tany.