Salamo 111 Malagasy Bible (MG1865)

Salamo abidy. Ny fahatsaran'Andriamanitra, sy ny soa ataony amin'ny olony

1. Haleloia. Hidera an'i Jehovah amin'ny foko rehetra aho, Eo amin'ny fivorian'ny marina sy ny fiangonan-dehibe.

2. Lehibe ny asan'i Jehovah, Ka dinihin'izay rehetra mankasitraka azy.

3. Madera sady malaza ny asany; Ary ny fahamarinany maharitra mandrakizay.

4. Manao izay hahatsiarovana ny fahagagana ataony Izy; Miantra sy mamindra fo Jehovah.

5. Nomeny hanina izay matahotra Azy; Tsarovany mandrakizay ny fanekeny.

6. Ny herin'ny asany nasehony tamin'ny olony. Tamin'ny nanomezany azy ny lovan'ny jentilisa.

7. Ny asan'ny tànany dia fahamarinana sy fitsarana; Mahatoky avokoa ny didiny rehetra;

8. Mitoetra mafy mandrakizay doria ireny, Fa natao tamin'ny fahamarinana sy ny fahitsiana.

9. Manatitra fanavotana ho an'ny olony Izy; Efa nanorina ny fanekeny ho mandrakizay Izy; Masina sy mahatahotra ny anarany.

10. Ny fahatahorana an'i Jehovah no fiandoham-pahendrena; Fahalalana tsara no ananan'izay rehetra mankatò izany; Maharitra mandrakizay ny fiderana Azy.