Salamo 3 Malagasy Bible (MG1865)

Ny fahatokian'izay manana an'Andriamanitra ho Mpiaro. na dia be aza ny fahavalony

1. Salamo nataon'i Davida, fony izy nandositra an'i Absaloma zanany. Jehovah ô, akory izato hamaroan'ny mampahory ahy! Maro no mitsangana hanohitra ahy.

2. Maro no milaza ny fanahiko hoe: tsy manam-pamonjena amin'Andriamanitra izy.

3. Kanjo Hianao, Jehovah ô, no ampinga manodidina ahy, Voninahitro sy mpanandratra ny lohako.

4. Amin'ny feoko no iantsoako an'i Jehovah, ary any an-tendrombohiny masina no mamaly ahy Izy.

5. Izaho nandry ka natory; nifoha aho, satria Jehovah no manohana ahy.

6. Tsy hatahotra olona alinalina aho, izay milahatra manodidina hamely ahy.

7. Mitsangàna, Jehovah ô; vonjeo aho, Andriamanitro ô; fa efa namely ny takolaky ny fahavaloko rehetra Hianao; ny nifin'ny ratsy fanahy novakivakinao.

8. An'i Jehovah ny famonjena; Ho amin'ny olonao anie ny fitahianao.