Salamo 129 Malagasy Bible (MG1865)

Ny hiafaran'ny mpandrafy an'i Ziona

1. Fihirana fiakarana. Mafy no nampahoriany ahy hatry ny fony aho mbola tanora, Eny, aoka hataon'ny Isiraely hoe:

2. Mafy no nampahoriany ahy hatry ny fony aho mbola tanora; Nefa tsy naharesy ahy izy.

3. Ny mpiasa dia niasa ny lamosiko; Efa nanalava ny vavasany izy.

4. Marina Jehovah: Efa nanapaka ny famatorana nataon'ny ratsy fanahy Izy.

5. Aoka ho menatra sy hiamboho Izay rehetra mandrafy an'i Ziona

6. Ka ho tahaka ny ahitra eo an-tampon-trano. Izay malazo, na dia tsy misy manongotra azy aza;

7. Tsy misy mpijinja mameno tanana Na mpamehy amboara mameno tratra amin'izany;

8. Ka dia tsy hisy mpandalo hanao hoe: Hotahin'i Jehovah anie ianareo; Eny, ny anaran'i Jehovah no itsofanay rano anareo.