Salamo 126 Malagasy Bible (MG1865)

Fifalian'ny efa nampodin'i Jehovah, sy fifonana ho an'izay mbola babo

1. Fihirana fiakarana. Fony Jehovah nampody an'i Ziona avy tamin'ny fahababoany, Dia tahaka izay nanonofy isika.

2. Fahizay dia feno hehy ny vavantsika Sy fihobiana ny lelantsika; Dia natao tany amin'ny Jentilisa hoe: Zava-dehibe no nataon'i Jehovah ho an'ireny.

3. Eny, zava-dehibe no nataon'i Jehovah ho antsika, Ka dia faly isika.

4. Tanteraho, Jehovah รด, ny ham-podiana anay avy amin'ny fahababoana, Tahaka ny fiverenan'ny riaka any amin'ny tany atsimo.

5. Izay mamafy am-pitomaniana Dia hijinja am-pifaliana.

6. Mandeha mitomany mitondra ny voa afafiny izy, Fa hiverina mitondra ny amboarany amin'ny fihobiana kosa.