Salamo 121 Malagasy Bible (MG1865)

Fahatokian'izay manana an'i Jehovah ho Mpiaro azy

1. Fihirana fiakarana. Manopy ny masoko ho amin'ny tendrombohitra aho; Avy aiza ny famonjena ahy?

2. Ny famonjena ahy dia avy amin'i Jehovah, Mpanao ny lanitra sy ny tany.

3. Tsy mba havelany hangozohozo anie ny tongotrao; Tsy ho rendrehana anie ny Mpiaro anao.

4. Indro, tsy matory na rendrehana Ny Mpiaro ny Isiraely.

5. Jehovah no Mpiaro anao; Jehovah no fialofanao eo amin'ny an-kavananao.

6. Ny masoandro tsy mba hamely anao nony andro, Na ny volana nony alina.

7. Jehovah hiaro anao amin'ny ratsy rehetra; Eny, hiaro ny fanahinao Izy.

8. Jehovah hiaro anao, na mivoaka na miditra, Hatramin'izao ka ho mandrakizay.