Salamo 112 Malagasy Bible (MG1865)

Salamo abidy. Ny toetry ny olona marina sy ny mahasambatra azy

1. Haleloia. Sambatra ny olona izay matahotra an'i Jehovah Sady mankasitraka ny didiny indrindra.

2. Hahery ambonin'ny tany ny zanany; Hotahina ny taranaky ny marina.

3. Fananana sy harena no ao an-tranony; Ary ny fahamarinany haharitra mandrakizay.

4. Ao amin'ny maizina no iposahan'ny mazava ho an'ny mahitsy; Mamindra fo sy miantra ary marina ireny.

5. Sambatra ny olona izay miantra ka mampisambotra; Tsy mba ho resy eo am-pitsarana izy.

6. Fa tsy hangozohozo mandrakizay izy; Hotsarovana mandrakizay ny marina.

7. Tsy mba manahinahy hahare loza izy; Tafatoetra matoky an'i Jehovah ny fony.

8. Voatohana ny fony, ka tsy hatahotra izy, Mandra-pifaliny mahita ny amin'ny mpandrafy azy.

9. Namafy izy, eny, nanome ho an'ny malahelo; Ny fahamarinany maharitra mandrakizay; Hisandratra amim-boninahitra ny tandrony.

10. Ny ratsy fanahy hahita ka ho sosotra; Hihidy vazana izy ka ho levona; Ho foana ny fanirian'ny ratsy fanahy.