Asan'ny Apostoly 7:4-22 Malagasy Bible (MG1865)

4. Dia niala tamin'ny tanin'ny Kaldeana izy ka nonina tany Harana; ary rehefa maty ny rainy, dia nafindran'Andriamanitra niala teo izy hankany amin'ny tany izay onenanareo ankehitriny.

5. Ary tsy nomeny lova teto izy, na dia eram-paladia akory aza; kanefa nampanantenainy izy fa homeny azy sy ny taranany mandimby azy ho lovany izany, na dia tsy mbola nanan-janaka akory aza izy.

6. Ary nolazain'Andriamanitra fa ny taranany hivahiny any amin'ny tanin'ny firenena hafa ary handevoziny sy hampahoriny efa-jato taona.

7. Nefa ny firenena izay hotompoiny dia hotsaraiko kosa, hoy Andriamanitra; ary rehefa afaka izany, dia hivoaka izy ka hanompo Ahy eto amin'ity tany ity (Gen. 15. 13, 14).

8. Ary nomeny fanekena amin'ny famorana izy. Ary dia niteraka an'isaka izy ka namora azy tamin'ny andro fahavalo; ary Isaka niteraka an'i Jakoba, ary Jakoba niteraka ny patriarka roa ambin'ny folo lahy.

9. Ary nialona an'i Josefa ny patriarka ka nivarotra azy ho any Egypta; nefa Andriamanitra nomba azy

10. ka nahafaka azy tamin'ny fahoriany rehetra sady nanome azy fahasoavana sy fahendrena teo imason'i Farao, mpanjakan'i Egypta; ary izy nanendry azy ho mpanapaka any Egypta mbamin'izay rehetra tao an-dapany.

11. Ary nisy mosary eran'i Egypta sy Kanana rehetra, ka mafy ny fahoriana; ary tsy nahita hanina ny razantsika.

12. Fa nony nandre Jakoba fa nisy vary tany Egypta, dia naniraka ny razantsika izy tamin'ny voalohany.

13. Ary tamin'ny fanindroany dia fantatr'izy mirahalahy avy Josefa, ary dia fantatr'i Farao koa ny havan'i Josefa.

14. Ary Josefa naniraka ka nampaka an'i Jakoba rainy mbamin'ny mpianakaviny rehetra, dia olona dimy amby fito-polo izy.

15. Ary Jakoba nidina nankany Egypta, dia maty izy sy ny razantsika;

16. ary nentina ho any Sekema izy ka nalevina tao amin'ny fasana izay novidin'i Abrahama vola tamin'ny zanak'i Hamora tany Sekema.

17. Fa rehefa ho tonga ny fotoana hahatanterahana ny teny fikasana, izay nataon'Andriamanitra tamin'i Abrahama, dia nitombo sy nihamaro ny olona tany Egypta,

18. mandra-pitsangan'ny mpanjaka hafa tany Egypta, izay tsy nahalala an'i Josefa.

19. Ary izy nanao hafetsena tamin'ny razantsika, dia nampahory azy, ka dia samy nanary ny zanany vao teraka mba tsy ho velona izy.

20. Tamin'izany andro izany no nahaterahan'i Mosesy, ary tsara teo anatrehan'Andriamanitra izy ka notezaina telo volana tao an-tranon'ny rainy.

21. Fa rehefa nariana izy, dia nalain'ny zanakavavin'i Farao ka notezainy ho zanany.

22. Ary Mosesy nampianarina ny fahendrena rehetra nananan'ny Egyptiana, ary nahery tamin'ny teniny sy ny asany izy.

Asan'ny Apostoly 7