6. ary rehefa nifanao veloma izahay, dia nirotsaka an-tsambo; fa izy ireo kosa niverina nody.
7. Ary ny niafaran'ny nandehananay an-tsambo dia tany Tolemaia, rehefa avy tany Tyro; ary niarahaba ny rahalahy izahay ka nitoetra teo aminy indray andro.
8. Ary nony ampitso dia niala teo izahay ka tonga tany Kaisaria ary niditra tao an-tranon'i Filipo evanjelista, izay anankiray tamin'izy fito lahy, dia nitoetra tao aminy izahay.
9. Ary izany lehilahy izany dia nanana zanakavavy virijina efatra izay naminany.
10. Ary raha nitoetra tao andro maro izahay, dia nisy mpaminany anankiray atao hoe Agabo nidina avy tany Jodia.
11. Ary rehefa tonga tao aminay izy, dia noraisiny ny fehin-kibon'i Paoly, ka namatorany ny tongotra aman-tànan'ny tenany, dia hoy izy; Izao no lazain'ny Fanahy Masina: Toy izao no hamatoran'ny Jiosy any Jerosalema ny lehilahy tompon'ity fehin-kibo ity, ka hatolony ho eo an-tànan'ny jentilisa izy.
12. Ary raha vao renay izany, dia nangataka taminy izahay mbamin'izay nonina teo mba tsy hiakarany any Jerosalema.
13. Fa Paoly namaly ka nanao hoe: Nahoana ianareo no mitomany ka mampangorakoraka ny foko? Fa vonona aho tsy ny hafatotra ihany, fa ny ho faty any Jerosalema koa aza mba ho voninahitry ny anaran'i Jesosy Tompo.
14. Ary nony tsy nanaiky izy, dia nitsahatra izahay ka nanao hoe: Aoka ny sitrapon'ny Tompo no hatao.
15. Ary rehefa afaka izany andro izany, dia nifehy entana izahay ka niakatra nankany Jerosalema.
16. Dia niaraka taminay koa ny mpianatra sasany avy tany Kaisaria, izay nitondra anay ho any amin'i Menasona, olona avy any Kyprosy sady mpianatra maintimolaly, izay nokasainay hitoerana.
17. Ary nony tonga tany Jerosalema izahay, dia nandray anay tamin'ny fifaliana ny rahalahy.
18. Ary nony ampitso dia niara-niditra tany amin'i Jakoba izahay sy Paoly; ary vory teo ny loholona rehetra.
19. Ary rehefa niarahaba azy Paoly, dia nilaza tsirairay ny zavatra rehetra izay efa nampanaovin'Andriamanitra azy tany amin'ny jentilisa izy.
20. Ary rehefa nandre izany ireo, dia nankalaza an'Andriamanitra; ary hoy koa izy tamin'i Paoly: Hitanao, rahalahy, fa tsy omby alinalina ny Jiosy izay efa mino; ary fatra-pitàna ny lalàna izy rehetra,