1. Ary Festosy, nony tonga teo amin'ny zara-fanapahany, dia niala tany Kaisaria hiakatra any Jerosalema, rehefa afaka hateloana.
2. Ary ny lohan'ny mpisorona sy ny olona manan-kaja tamin'ny Jiosy nanambara taminy izay niampangany an'i Paoly sady niangavy taminy
3. ka nangataka azy hohelohina, mba hampanalainy hankany Jerosalema; fa nikasa hanotrika eny amoron-dalana izy hamonoany azy.
4. Ary Festosy namaly fa Paoly dia ambenana any Kaisaria, sady izy koa efa hankany faingana.
5. Koa izay manam-pahefana eo aminareo, hoy izy, no aoka hiara-midina amiko ka hiampanga an-dralehilahy, raha manan-keloka izy.
6. Ary rehefa nitoetra teo aminy tsy mihoatra noho ny havaloana na hafoloana izy, dia nidina nankany Kaisaria; ary nony ampitso dia nipetraka teo amin'ny fitsarana izy, ka nasainy halaina Paoly.
7. Ary nony tonga izy, dia nitsangana manodidina azy ny Jiosy izay nidina avy tany Jerosalema, ka zavatra maro sady lehibe, izay tsy azony nohamarinina akory, no niampangany azy;