Tonon-Kiran'i Solomona 7:5-12 Malagasy Bible (MG1865)

5. Ny vozonao dia tahaka ny tilikambo ivory; Ny masonao dia tahaka ny kamory any Hesbona, dia eo am-bavahadin'ny tanĂ na be olona; Ny oronao dia tahaka ny tilikambo any Libanona, izay manandrify an'i Damaskosy.

6. Ny lohanao dia tahaka an'i Karmela, ary ny volon-dohanao milantolanto dia somary volomparasy. Voatanan'ny volo olioly ny mpanjaka!

7. Endrey! tsara tarehy sady mahafinaritra ianao, ry malala, amin'izao zava-mahafinaritra rehetra izao!

8. Izato tsangananao dia tahaka ny rofia, Ary ny nononao dia tahaka ny sampahony.

9. Hoy izaho: Hananika ny rofia aho ka handray ny rantsany; Ary aoka ny nononao ho toy ny sampahom-boaloboka amiko, ary ny fofonainao ho tahaka ny an'ny poma,

10. Ny vavanao dia toy ny divay tsara, eny, divay mikorotsaka mora eo an-tendan'ny malalako sady miditra misononoka amin'ny molotry ny matory.

11. An'ny malalako aho, sady manina ahy izy.

12. Avia, ry malalako, aoka handeha ho any an-tsaha isika; Andeha handry any ambanivohitra isika.

Tonon-Kiran'i Solomona 7