3. Hitan'ny antily izay mandehandeha eny an-tanàna aho; Dia hoy izaho: Sao mba hitanareo lahy ilay tian'ny fanahiko iny?
4. Nony vao nandalo ireo vetivety foana aho, dia hitako ilay tian'ny fanahiko, ka nohazoniko izy, fa tsy navelako handeha, mandra-pitondrako azy ho any an-tranon'ineny, dia any amin'ny efi-tranon'ilay niteraka ahy.
5. Mampianiana anareo amin'ny gazela na amin'ny dieravavy any an-tsaha aho, ry zanakavavin'i Jerosalema; Aza manaitra na mamoha ny fitiavana, raha tsy efa sitrapony.
6. Iza moa iry vehivavy miakatra avy any an-efitra, tahaka ny setroka mitankosina, sady tsara fofona amin'ny miora sy ny ditin-kazo mani-pofona mbamin'ny vovoka manitra samy hafa entin'ny mpandranto?