26. Ary nony ampitson'iny dia niseho tamin'ireo izay niady Mosesy ary nanao izay hampihavana azy ka nanao hoe: Raondriana, mirahalahy ianareo, koa nahoana ianareo no miady?
27. Fa ilay namely maina ny namany dia nanosika azy ka nanao hoe: Iza no nanendry an'ialahy ho mpanapaka sy mpitsara anay?
28. Moa ta-hamono ahy koa va ialahy tahaka ny namonoan'ialahy ilay Egyptiana omaly? (Eks. 2. 13, 14.)
29. Ary tamin'izany teny izany dia nandositra Mosesy ka nivahiny tany amin'ny tany Midiana, ary tany no niterahany zanaka roa lahy.
30. Ary rehefa afaka efa-polo taona, dia nisy anjely niseho taminy tany an-efitry ny tendrombohitra Sinay teo anaty lelafo teo amin'ny voaroy.
31. Ary Mosesy, nony nahita, dia gaga noho ny fahitana; nefa nony nanatona handinika izy, dia tonga ny feon'ny Tompo nanao hoe:
32. Izaho no Andriamanitry ny razanao, dia Andriamanitr'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba (Eks. 3. 6). Dia tora-kovitra Mosesy ka tsy sahy nandinika.
33. Ary hoy Jehovah taminy: Esory ny kapa amin'ny tongotrao; fa masina io tany ijanonanao io.
34. Hitako tokoa ny fahorian'ny oloko any Egypta, ary reko ny fitarainany, dia nidina hamonjy azy Aho. Koa andeha ankehitriny, dia hirahiko ho any Egypta ianao (Eks. 3. 5-10).
35. Izany Mosesy izany dia nolaviny ka nataony hoe: Iza no nanendry an'ialahy ho mpanapaka sy mpitsara? (Eks. 2. 14) kanjo izy ihany no nirahin'Andriamanitra ho mpanapaka sy mpanavotra nomban'ny tanan'ny Anjely, Ilay niseho taminy teo amin'ny voaroy.
36. Izy no nitondra ny olona nivoaka sady nanao fahagagana sy famantarana tany Egypta sy teo amin'ny Ranomasina Mena ary tany an-efitra efa-polo taona.
37. Izany no Mosesy izay nilaza tamin'ny Zanak'isiraely hoe: Mpaminany no hatsangan'Andriamanitra ho anareo avy amin'ny rahalahinareo, tahaka ahy (Deo. 18. 15).
38. Izy ilay teo amin'ny fiangonana tany an-efitra mbamin'ny Anjely izay niteny taminy tany an-tendrombohitra Sinay sy tamin'ny razantsika, ka izy no nandray teny velona mba homeny antsika.
39. Nefa ny razantsika tsy nety nanaiky azy, fa nandà, dia manina an'i Egypta ny fony,
40. ka hoy izy tamin'i Arona: Anaovy andriamanitra izahay, hitarika antsika eo aloha; fa ilay Mosesy iny, izay nitondra antsika nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, dia tsy fantatray izay nanjo azy (Eks. 32. 1).
41. Ary dia nanao ombilahy kely izy tamin'izany andro izany, dia nanatitra fanatitra tamin'ny sampy ka niravoravo tamin'ny asan'ny tànany.