Asan'ny Apostoly 15:9-25 Malagasy Bible (MG1865)

9. fa tsy nataony misy hafa isika sy izy, fa nodioviny tamin'ny finoana ny fony.

10. Koa nahoana ianareo no maka fanahy an'Andriamanitra amin'ny fametrahanareo zioga amin'ny vozon'ny mpianatra, izay tsy zakan'ny razantsika na isika ho entina?

11. Fa mino isika fa ny fahasoavan'i Jesosy Tompo no hamonjena antsika, dia tahaka ny azy ihany koa.

12. Dia nangina ny olona rehetra ka nihaino an'i Barnabasy sy Paoly, izay nilaza ny famantarana sy ny fahagagana nampanaovin'Andriamanitra azy tany amin'ny jentilisa.

13. Ary rehefa nitsahatra tsy niteny izy roa lahy, dia namaly Jakoba ka nanao hoe: Ry rahalahy, mihainoa ahy:

14. Simeona efa nanambara izay nitsinjovan'Andriamanitra ny jentilisa tamin'ny voalohany hanalany olona aminy hankalazana ny anarany.

15. Ary mifanaraka amin'izany ny tenin'ny mpaminany, araka ny voasoratra hoe:

16. Rehefa afaka izany, dia hiverina Aho Ka hanangana ny trano-lain'i Davida izay efa nianjera; Ary hanangana izay efa rava ao Aho Ka hanamboatra azy indray;

17. Mba hitady ny Tompo ny olona sisa sy ny jentilisa rehetra, Izay efa niantsoana ny anarako, hoy Jehovah,

18. Izay manao izany zavatra fantatra hatramin'ny voalohany indrindra izany (Amo. 9. 11, 12).

19. Koa dia izao no hevitro: Tsy mety raha isika manome fahasahiranana ny avy amin'ny jentilisa izay miverina ho amin'Andriamanitra;

20. fa aoka hanoratra epistily aminy isika mba hifadiany ny hena fahavetavetana aterina amin'ny sampy sy ny fijangajangana ary ny zavatra kendaina sy ny rà.

21. Fa hatramin'ny razana fahiny dia manana izay mitory azy ao amin'ny isan-tanàna Mosesy, fa vakina ao amin'ny synagoga rehetra isan-tSabata ny teniny.

22. Ary sitraky ny Apostoly sy ny loholona mbamin'ny fiangonana rehetra ny hifidy olona amin'ny namany mba hirahina hiaraka amin'i Paoly sy Barnabasy hankany Antiokia, dia Joda, izay atao hoe Barnabasy, sy Silasy, izay lehilahy samy tsara laza eo amin'ny rahalahy;

23. ary nanoratra taratasy izy ho entin'ireo, dia izao: Ny Apostoly sy ny rahalahy loholona miarahaba ny rahalahy avy amin'ny jentilisa izay any Antiokia sy Syria ary Kilikia.

24. Satria efa renay fa ny sasany izay avy tany aminay efa nanao teny nampitabataba anareo ka namadika ny sainareo, kanefa tsy nasainay nanao izany izy,

25. dia sitrakay, rehefa nifanara-kevitra, ny hifidy olona hirahina hankatỳ aminareo hiaraka amin'i Barnabasy sy Paoly malalanay,

Asan'ny Apostoly 15