3. Ary rehefa nanatitra azy ny fiangonana, dia nandeha namaky an'i Foinika sy Samaria izy ka nilaza ny niovan'ny jentilisa; dia nampifaly ny rahalahy rehetra indrindra izy.
4. Ary rehefa tonga tany Jerosalema izy, dia noraisin'ny fiangonana sy ny Apostoly ary ny loholona, ka dia nilaza izay rehetra efa nataon'Andriamanitra tamin'ny nombany azy.
5. Fa ny mino sasany, izay isan'ny antokon'ny Fariseo kosa, dia nitsangana ka nanao hoe: Tsy maintsy forana ireny ka asaina mitandrina ny lalàn'i Mosesy.
6. Ary dia nivory ny Apostoly sy ny loholona mba hihevitra izany zavatra izany.
7. Ary rehefa nisy ady hevitra be ihany, dia nitsangana Petera ka nanao taminy hoe: Ry rahalahy, fantatrareo fa hatramin'ny ela Andriamanitra dia efa nifidy teo aminareo fa amin'ny vavako no handrenesan'ny jentilisa ny tenin'ny filazantsara ka hinoany.