1. Ary Paoly dia nibanjina ny Synedriona ka nanao hoe: Ry rahalahy, izaho nanompo an'Andriamanitra tamin'ny fieritreretana tsara mandraka androany.
2. Ary Ananiasy mpisoronabe nandidy izay nitsangana teo hamely ny vavany.
3. Ary hoy Paoly taminy: Andriamanitra mba hamely anao, ry rafi-bato voalalotra fotsy; fa ianao va mipetraka hitsara ahy araka ny lalàna, nefa asainao kapohina tsy araka ny lalàna aho?
4. Ary izay nitsangana teo dia nanao hoe: Tevatevainao va ny mpisoronaben'Andriamanitra?
5. Ary hoy Paoly: Tsy fantatro fa mpisoronabe izy, ry rahalahy; fa voasoratra hoe: Aza miteny ratsy ny mpanapaka ny firenenao (Eks. 22. 27).
6. Ary rehefa fantatr'i Paoly fa Sadoseo ny sasany, ary ny sasany kosa Fariseo, dia niantso teo amin'ny Synedriona izy ka nanao hoe: Ry rahalahy, izaho dia Fariseo, zanaky ny Fariseo; ny amin'ny fanantenana sy ny fitsanganan'ny maty no itsarana ahy.
7. Ary rehefa nilaza izany izy, dia nifanditra ny Fariseo sy ny Sadoseo, ka nizara roa toko ny olona maro.
8. Fa ny Sadoseo manao hoe: Tsy misy fitsanganan'ny maty, sady tsy misy anjely na fanahy; fa ny Fariseo kosa manaiky izany avokoa.
9. Ary nisy antsoantso maharenina teo, ary ny mpanora-dalàna sasany, izay isan'ny antoko atao hoe Fariseo, nitsangana dia niady hevitra ka nanao hoe: Tsy hitanay izay helok'io lehilahy io; fa sao fanahy na anjely no niteny taminy.