Asan'ny Apostoly 22:11-13 Malagasy Bible (MG1865)

11. Ary raha tsy nahajery aho noho ny famirapiratan'izany mazava izany, dia notantanan'ireo niaraka tamiko aho, ka dia tonga tany Damaskosy.

12. Ary ny lehilahy anankiray atao hoe Ananiasy, mpivavaka manaraka ny lalàna sady tsara laza teo amin'ny Jiosy rehetra izay nonina teo,

13. dia nanatona ahy ary nitsangana ka nanao tamiko hoe: Ry Saoly rahalahy, mahirata. Ary tamin'izany ora izany dia nahiratra aho ka nahita azy.

Asan'ny Apostoly 22