Asan'ny Apostoly 8:4-8 Malagasy Bible (MG1865)

4. Ary izay niely dia nandeha nitory teny tontolo eny.

5. Ary Filipo nidina tany an-tanàna any Samaria ka nitory an'i Kristy tamin'ny olona tao.

6. Ary ny vahoaka betsaka dia niray hevitra nihaino izay nolazain'i Filipo, raha nandre azy sy nahita ny fahagagana nataony.

7. Fa ny fanahy maloto niantso tamin'ny feo mahery, dia nivoaka tamin'ny maro izay nanana azy; ary maro ny mararin'ny paralysisa sy ny mandringa no nositraniny.

8. Dia nisy fifaliana lehibe tao amin'izany tanàna izany.

Asan'ny Apostoly 8