Asan'ny Apostoly 7:1-6 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary hoy ny mpisoronabe: Moa izany tokoa va?

2. fa hoy Stefana: Mihainoa, ry rahalahy sy ianareo ray: Andriamanitry ny voninahitra niseho tamin'i Abrahama razantsika, raha tany Mesopotamia izy, fony tsy mbola nonina tany Harana,

3. ka nanao taminy hoe: MialĂ  amin'ny taninao sy ny havanao, ka andeha ho any amin'ny tany izay hasehoko anao (Gen. 12. 1).

4. Dia niala tamin'ny tanin'ny Kaldeana izy ka nonina tany Harana; ary rehefa maty ny rainy, dia nafindran'Andriamanitra niala teo izy hankany amin'ny tany izay onenanareo ankehitriny.

5. Ary tsy nomeny lova teto izy, na dia eram-paladia akory aza; kanefa nampanantenainy izy fa homeny azy sy ny taranany mandimby azy ho lovany izany, na dia tsy mbola nanan-janaka akory aza izy.

6. Ary nolazain'Andriamanitra fa ny taranany hivahiny any amin'ny tanin'ny firenena hafa ary handevoziny sy hampahoriny efa-jato taona.

Asan'ny Apostoly 7