1. Ary hoy ny mpisoronabe: Moa izany tokoa va?
2. fa hoy Stefana: Mihainoa, ry rahalahy sy ianareo ray: Andriamanitry ny voninahitra niseho tamin'i Abrahama razantsika, raha tany Mesopotamia izy, fony tsy mbola nonina tany Harana,
3. ka nanao taminy hoe: MialĂ amin'ny taninao sy ny havanao, ka andeha ho any amin'ny tany izay hasehoko anao (Gen. 12. 1).
4. Dia niala tamin'ny tanin'ny Kaldeana izy ka nonina tany Harana; ary rehefa maty ny rainy, dia nafindran'Andriamanitra niala teo izy hankany amin'ny tany izay onenanareo ankehitriny.