Asan'ny Apostoly 3:15-25 Malagasy Bible (MG1865)

15. fa ny Tompon'ny aina kosa no novonoinareo; fa Izy natsangan'Andriamanitra tamin'ny maty, ary vavolombelon'izany izahay.

16. Ary ny anarany no nampahatanjaka io lehilahy hitanareo sy fantatrareo io noho ny finoana ny anarany; eny, ny finoana izay azo amin'ny alalany no nahazoany izao fahasitranana tsara eto imasonareo rehetra izao.

17. Ary ankehitriny, ry rahalahy, fantatro fa tamin'ny tsi-fahalalana no nanaovanareo izany, tahaka ny mpanapaka anareo koa.

18. Fa izany no nahatanterahan'Andriamanitra ny zavatra nampilazainy ny mpaminany rehetra rahateo, fa hiaretan'ny Kristiny.

19. Koa mibebaha ianareo, ka miverena hamonoana ny fahotanareo, mba ho avy izay andro famelombelomana avy amin'ny fanatrehan'ny Tompo,

20. ary mba hanirahany ny Kristy voatendry ho anareo, dia Jesosy,

21. Ilay tsy maintsy horaisin'ny lanitra mandra-pihavin'ny andro fampodiana ny zavatra rehetra, izay nampilazain'Andriamanitra ny mpaminaniny masina hatramin'ny voalohany indrindra.

22. Fa Mosesy nilaza hoe: Mpaminany no hatsangan'i Jehovah Andriamanitra ho anareo avy amin'ny rahalahinareo, tahaka ahy; izy no hohenoinareo amin'izay rehetra holazainy aminareo.

23. Ary izay rehetra tsy hihaino izany mpaminany izany dia haringana tsy ho eo amin'ny olona (Deo. 18. 15, 19).

24. Ary ny mpaminany rehetra koa hatramin'i Samoela sy izay nanarakaraka, na iza na iza niteny, dia nanambara izao andro izao.

25. Hianareo no zanaky ny mpaminany sy ny fanekena nataon'Andriamanitra tamin'ny razanareo, raha hoy Izy tamin'i Abrahama: Ary amin'ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin'ny tany (Gen. 22. 18).

Asan'ny Apostoly 3