9. Ary nisy antsoantso maharenina teo, ary ny mpanora-dalàna sasany, izay isan'ny antoko atao hoe Fariseo, nitsangana dia niady hevitra ka nanao hoe: Tsy hitanay izay helok'io lehilahy io; fa sao fanahy na anjely no niteny taminy.
10. Ary rehefa nitabataba be ihany izy, dia natahotra ny mpifehy arivo, fandrao hifandroritan'ny olona Paoly ka ho samatsamaka, dia nasainy nidina ny miaramila mba haka azy an-keriny hiala teo ampovoany ary mba hitondra azy ho any anati-rova.
11. Ary ny Tompo nitsangana teo anilany tamin'iny alina iny ka nanao hoe: Matokia, fa tahaka ny nanambaranao Ahy tany Jerosalema no mbola hanambaranao Ahy any Roma koa.
12. Ary nony maraina dia niray tetika ny Jiosy ka niozona sy nianiana fa tsy hihinana na hisotro izy ambara-pamonony an'i Paoly.
13. Ary tsy omby efa-polo no niray tetika nanao izany.
14. Ary izy nankany amin'ny mpisoronabe sy ny loholona ka nanao hoe: Efa niozona sy nianiana izahay fa tsy hanandran-javatra na inona na inona ambara-pamononay an'i Paoly.
15. Koa ankehitriny dia milazà amin'ny mpifehy arivo ianareo sy ny Synedriona mba hampidina azy hankatỳ aminareo, mody ta-hamototra azy marimarina kokoa ny amin'izay nataony; ary izahay kosa dia efa vonona hamono azy, dieny tsy mbola mby akaiky izy.
16. Ary nony ren'ny zanak'anabavin'i Paoly ny fanotrehana, dia lasa nankany anatirova izy ka nilaza tamin'i Paoly.
17. Ary Paoly niantso ny kapiteny anankiray hankeo aminy ka nanao hoe: Ento mankany amin'ny mpifehy arivo ity zatovo ity, fa manan-teny holazaina aminy izy.
18. Koa dia nandray azy ilay kapiteny ka nitondra azy ho any amin'ny mpifehy arivo, dia nanao hoe: Paoly mpifatotra niantso ahy hankeo aminy ka nangataka ahy hitondra ity zatovo ity hanketo aminao, fa manan-teny holazaina aminao, hono, izy.
19. Ary ny mpifehy arivo nitantana azy, ary nony efa nitokana tao amin'ny mangingina izy, dia nanontaniany hoe: Inona moa no teny holazainao amiko?
20. Dia hoy ilay zatovo: Ny Jiosy efa nifanaiky hangataka aminao hampidina an'i Paoly ho any amin'ny Synedriona rahampitso, mody ta-hanadina azy marimarina kokoa.
21. Koa aza manaiky azy ianao, fa misy tsy omby efa-polo lahy izy manotrika hisambotra an'i Paoly, ka efa niozona sy nianiana izy fa tsy hihinana na hisotro ambara-pamonony azy; ary efa vonona izy ankehitriny ka miandry ny teny avy aminao.
22. Ary ny mpifehy arivo nampandeha ilay zatovo ka nandidy azy hoe: Aza milaza amin'olona fa efa nilaza izany tamiko ianao.
23. Ary niantso kapiteny roa lahy hankeo aminy izy ka nanao hoe: Manomàna miaramila roan-jato lahy sy an-tsoavaly fito-polo ary mpiloka lefona roan-jato hankany Kaisaria anio alina amin'ny ora fahatelo;
24. ary itondray biby koa hitaingenan'i Paoly hitondra azy soa aman-tsara ho any amin'i Feliksa mpanapaka.
25. Ary izy nanoratra taratasy nisy izao teny izao: