Asan'ny Apostoly 16:3-9 Malagasy Bible (MG1865)

3. Koa tian'i Paoly ho entiny miaraka aminy izy; dia nalainy izy ka noforany noho ny Jiosy tany amin'izany tany izany, satria fantatr'izy rehetra fa jentilisa rainy.

4. Ary raha nandeha nitety ny tanàna tao izy, dia natolony hotandreman'ny olona ireo didy navoaky ny Apostoly sy ny loholona tany Jerosalema.

5. Ary nihanahery finoana ny fiangonana sady nihamaro isan'andro.

6. Ary rehefa noraran'ny Fanahy Masina tsy hitory ny teny tany Asia izy, dia nandeha namaky ny tany Frygia sy Galatia

7. ka efa tonga tany an-tsisin'i Mysia, dia nitady hankany Bitynia izy, fa tsy navelan'ny Fanahin'i Jesosy.

8. Ary rehefa nandalo an'i Mysia izy, dia nidina nankany Troasy.

9. Ary nony alina dia nisy fahitana niseho tamin'i Paoly, koa, indro, nisy lehilahy Makedoniana nitsangana teo ka nangataka azy hoe: Mità mankaty Makedonia, ka vonjeo izahay!

Asan'ny Apostoly 16