4. Fa ny vahoaka tao an-tanàna nisara-tsaina, ny sasany nomba ny Jiosy, fa ny sasany kosa nomba ny Apostoly.
5. Ary raha niray tetika hanisy ratsy sy hitora-bato azy ny jentilisa sy ny Jiosy mbamin'ny loholony,
6. ka fantany izany, dia nandositra nankany Lystra sy Derbe, tanàna any Lykaonia, mbamin'ny tany manodidina, izy,
7. dia nitory ny filazantsara tany.
8. Ary nisy lehilahy anankiray nipetraka tany Lystra nalemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny ka tsy afaka namindra;
9. izy nahare an'i Paoly nitori-teny; ary Paoly, nony nibanjina azy mafy ka nahita fa nanam-pinoana hositranina io,
10. dia niteny tamin'ny feo mahery hoe: Mijoroa amin'ny tongotrao. Dia niantsambotsambotra ralehilahy ka nitsangantsangana.
11. Ary nony hitan'ny vahoaka betsaka izay zavatra nataon'i Paoly, dia nanandratra ny feony ka nanao tamin'ny fitenin'i Lykaonia hoe: Efa nidina nankaty amintsika ny andriamanitra maka ny endrik'olona!
12. Ary ny anaran'i Barnabasy nataony hoe Jopitera, ary Paoly kosa Merkory, satria izy no mpitarika ny teny nalahatra.
13. Ary ny mpisoron'ilay Jopitera teo anoloan'ny tanàna, mbamin'ny vahoaka, dia nitondra ombilahy sy voninkazo natao fihaingoana ho ao am-bavahady ka nikasa hanao fanatitra.
14. Fa nony nahare izany ny Apostoly, dia Barnabasy sy Paoly, dia nandriatra ny fitafiany izy ka nitsarapaka nankeo afovoan'ny olona sady niantso nanao hoe: