Tonon-Kiran'i Solomona 5:13-16 Malagasy Bible (MG1865)

13. Ny takolany dia tahaka ny tanim-boninkazo misy zava-manitra eo an-tsaha, dia tahaka ny tany navosaina misy voninkazo manitra. Ny molony dia tahaka ny lilia sady mitete ranon'ny miora.

14. Ny tenany dia tahaka ny anja-bolamena voaisy krysolita; Ny tenany dia tahaka ny ivory voarafitra tsara sady misarona safira;

15. Ny ranjony dia tahaka ny andry vatosanga miorina amin'ny faladia tena volamena; Ny tarehiny dia tahaka an'i Libanona, tsara toy ny sedera.

16. Mamy dia mamy ny vavany, eny, maha-te-ho-tia avokoa izy. Toy izany ny malalako, ary toy izany ny sakaizako, ry zanakavavin'i Jerosalema!

Tonon-Kiran'i Solomona 5