Tonon-Kiran'i Solomona 2:15-17 Malagasy Bible (MG1865)

15. Sambory ny amboahaolo, dia ireo amboahaolo madinika izay manimba ny tanim-boaloboka; Fa efa mamony izao ny voalobotsika.

16. Ahy ny malalako, ary azy aho, dia ilay miandry ny ondriny eny amin'ny lilia.

17. Mandra-pangatsiatsiaky ny andro, ka efa hilentika ny masoandro, mitodiha, ry ilay malalako, ary aoka ho tahaka ny gazela na ny diera tanora eny an-tendrombohitra be hantsana ianao.

Tonon-Kiran'i Solomona 2