Salamo 126:2-6 Malagasy Bible (MG1865)

2. Fahizay dia feno hehy ny vavantsika Sy fihobiana ny lelantsika; Dia natao tany amin'ny Jentilisa hoe: Zava-dehibe no nataon'i Jehovah ho an'ireny.

3. Eny, zava-dehibe no nataon'i Jehovah ho antsika, Ka dia faly isika.

4. Tanteraho, Jehovah รด, ny ham-podiana anay avy amin'ny fahababoana, Tahaka ny fiverenan'ny riaka any amin'ny tany atsimo.

5. Izay mamafy am-pitomaniana Dia hijinja am-pifaliana.

6. Mandeha mitomany mitondra ny voa afafiny izy, Fa hiverina mitondra ny amboarany amin'ny fihobiana kosa.

Salamo 126