8. fa manatera fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah hafitoana; ary amin'ny andro fahafito dia hisy fivoriana masina koa; aza manao tao-zavatra akory ianareo.
9. Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
10. Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Rehefa tonga any amin'ny tany izay omeko anareo ianareo ka hijinja ny vokatra any, dia mitondrĂ amboara iray amin'ny voaloham-bokatrareo ho any amin'ny mpisorona ianareo;
11. ary hanevaheva ny amboara eo anatrehan'i Jehovah izy, hankasitrahana anareo; amin'ny ampitson'ny Sabata no hanevahevan'ny mpisorona azy.
12. Ary amin'izay andro hanevahevanareo ny amboara dia manatera zanak'ondrilahy tsy misy kilema izay iray taona ho fanatitra dorana ho an'i Jehovah.