Josoa 18:12-21 Malagasy Bible (MG1865)

12. Ary ny fari-taniny amin'ny lafiny avaratra dia hatrany Jordana ka niakatra hatramin'ny ilan'i Jeriko amin'ny avaratra, dia niakatra niankandrefana nahazo ny tany havoana, ka dia nihatra tamin'ny efitr'i Betavena,

13. hatreo dia nandroso hatrany Lozy, hatramin'ny ilany atsimon'i Lozy (Betela izany), dia nidina hatrany Atarot-adara ao amin'ny tendrombohitra atsimon'i Beti-horona ambany,

14. dia niolaka tamin'ny lafiny andrefana ka nianatsimo hatramin'ny tendrombohitra izay eo anoloan'i Beti-horona eo atsimo, ka dia nihatra any Kiriata-bala (Kiriata-jearima izany), tanĂ nan'ny taranak'i Joda; izany no lafiny andrefana.

15. Ary ny lafiny atsimo dia hatramin'ny faran'i Kiriata-jearima; ary ny fari-tany dia nandroso niankandrefana ka nihatra tamin'ny loharanon'i Neftoa,

16. dia nidina hatramin'ny faran'ny tendrombohitra, izay tandrifin'ny lohasahan'ny taranak'i Hinoma, eo amin'ny Lohasahan'ny Refaita eo avaratra, ka nidina hatramin'ny lohasahan'i Hinoma, hatramin'ny ilany atsimon'ny Jebosita, ka nidina hatrany En-rogela,

17. dia nizotra avy any avaratra ka nandroso hatrany En-semesy sy Gelilota, izay tandrifin'ny fiakarana Adomima, ka nidina hatramin'ny vaton'i Bohana, zanak'i Robena,

18. dia nandroso hatramin'ny ilany avaratra tandrifin'ny tani-hay ka nidina hatrany amin'ny tani-hay.

19. dia nandroso hatramin'ny ilany avaratr'i Beti-hogla, ka dia nihatra tamin'ny helo-drano avaratra amin'ny Ranomasin-tsira, eo amin'ny farany atsimo amin'i Jordana; izany no lafiny atsimo.

20. Ary Jordana no fari-taniny atsinanana. Izany no lovan'ny taranak'i Benjamina amin'ny fari-taniny manodidina araka ny fokony.

21. Ary ny tanĂ nan'ny firenena taranak'i Benjamina araka ny fokony dia Jeriko sy Beti-hogla ary ny lohasahan'i Keziza

Josoa 18