Asan'ny Apostoly 8:35-40 Malagasy Bible (MG1865)

35. Ary Filipo niloa-bava, dia nanomboka teo amin'izany Soratra Masina izany nitory an'i Jesosy taminy.

36. Ary raha nandeha teny an-dalana izy, dia tonga teo amin'izay nisy rano; ary hoy ilay tandapa: Indro rano, ka inona moa no misakana ahy tsy hatao batisa?

38. Dia nasainy najanona ny kalesy; ary izy roa lahy, dia Filipo sy ilay tandapa, nidina ho eo amin'ny rano; dia nataony batisa izy.

39. Ary rehefa niakatra avy teo amin'ny rano izy roa lahy, dia nentin'ny Fanahin'ny Tompo Filipo ka tsy hitan'ilay tandapa intsony; fa nandeha tamin'ny nalehany izy sady nifaly.

40. Fa Filipo hita tany Azota, dia nitory ny filazantsara tany amin'ny tanĂ na rehetra izay nalehany ambara-pahatongany tany Kaisaria.

Asan'ny Apostoly 8