Asan'ny Apostoly 8:23-25 Malagasy Bible (MG1865)

23. Fa hitako fa mbola mitoetra amin'ny fangidian'afero sy ny fehin-keloka ihany ianao.

24. Ary Simona namaly ka nanao hoe: Mangataha ho ahy amin'ny Tompo, mba tsy ho tonga amiko izay nolazainareo.

25. Ary rehefa nanambara sy nitory ny tenin'ny Tompo Petera sy Jaona, dia niverina nankany Jerosalema ka nitory ny filazantsara teny amin'ny vohitra maro izay an'ny Samaritana.

Asan'ny Apostoly 8