Asan'ny Apostoly 4:1-17 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary raha mbola niteny tamin'ny vahoaka izy, dia, indreo, tonga teo aminy ny mpisorona sy ny lehiben'ny mpiambina ny tempoly ary ny Sadoseo;

2. fa sosotra izy noho ny nampianaran'ny Apostoly ny vahoaka sy ny nitoriany tamin'ny alalan'i Jesosy ny fitsanganana amin'ny maty.

3. Dia nisambotra azy izy ka nanao azy tao an-tranomaizina ambara-pahamarain'ny andro; fa efa hariva ny andro tamin'izay.

4. Kanefa maro tamin'izay nandre ny teny no nino, ka dia tonga tokony ho dimy arivo no isan'ny lehilahy.

5. Ary nony maraina ny andro, dia niangona tany Jerosalema ny mpanapaka sy ny loholona sy ny mpanora-dalàna

6. sy Anasy mpisoronabe sy Kaiafa sy Jaona sy Aleksandro mbamin'izay rehetra mety ho havan'ny mpisoronabe.

7. Ary rehefa nataony teo ampovoany izy roa lahy, dia nanontaniany hoe: Fahefana manao ahoana, na anarana manao ahoana, no nanaovanareo izany?

8. Ary Petera, feno ny Fanahy Masina, dia nanao taminy hoe: Ry mpanapaka ny vahoaka sy loholona,

9. raha adinina izahay anin'ny amin'ny asa tsara natao tamin'ny nahasitranana ilay lehilahy malemy,

10. dia aoka ho fantatrareo rehetra sy ny olona Isiraely rehetra fa ny anaran'i Jesosy Kristy avy any Nazareta, Izay nohomboanareo tamin'ny hazo fijaliana, fa natsangan'Andriamanitra tamin'ny maty kosa, dia Izy no itsanganan'io lehilahy io finaritra eto imasonareo.

11. Ity no vato izay nolavinareo mpanao trano, nefa tonga fehizoro (Sal. 118. 22).

12. Ary tsy misy famonjena amin'ny hafa; fa tsy misy anarana hafa ambanin'ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena.

13. Ary nony nahita ny fahasahisahian'i Petera sy Jaona izy, sady nahalala fa tsy mba mpahay lalàna na nampianarina izy roa lahy, dia gaga izy; ary fantany tsara fa efa niaraka tamin'i Jesosy izy roa lahy.

14. Ary nony nijery ny lehilahy izay efa sitrana nitsangana teo aminy izy, dia tsy hitany izay havaliny.

15. Ary rehefa nasainy niala teo amin'ny Synedriona izy roa lahy, dia niara-nisaina izy

16. ka nanao hoe: Hataontsika ahoana ireo lehilahy ireo? fa efa nanao famantarana malaza tokoa izy, ary fantatry ny mponina rehetra eto Jerosalema izany, ka tsy azontsika lavina.

17. Fa mba tsy hielezan'izany intsony amin'ny vahoaka, dia aoka horahonantsika izy mba tsy hiteny amin'izany anarana izany intsony na amin'iza na amin'iza.

Asan'ny Apostoly 4