Asan'ny Apostoly 24:1-4 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary rehefa afaka hadimiana dia nidina Ananiasy mpisoronabe mbamin'ny loholona sasany sy Tertylo, mpandaha-teny anankiray, izay nanambara tamin'ny mpanapaka ny niampangany an'i Paoly.

2. Ary rehefa nantsoina izy, dia niampanga azy Tertylo ka nanao hoe:

3. Hianao no ahazoanay fiadanana lehibe, ary ny fitondranao efa nampandry tsara ity firenena ity; koa raisinay amin'ny fankasitrahana mandrakariva eny tontolo eny izany, ry Feliksa tsara indrindra รด.

4. Fa mba tsy hanahirana anao ela loatra aho, trarantitra ianao, henoy kely amin'ny faharetana izahay.

Asan'ny Apostoly 24