Asan'ny Apostoly 18:22-24 Malagasy Bible (MG1865)

22. Ary rehefa tafatody tany Kaisaria izy, dia niakatra ka niarahaba ny fiangonana vao nidina nankany Antiokia.

23. Ary rehefa nitoetra tao elaela ihany izy, dia lasa nandeha nitety ny tany Galatia sy Frygia ka nampahery ny mpianatra rehetra.

24. Ary tonga tany Efesosy ny Jiosy anankiray atao hoe Apolosy, izay teraka tany Aleksandria, lehilahy nahay nandaha-teny sady nahery tamin'ny Soratra Masina.

Asan'ny Apostoly 18