1. Dia tonga tany Derbe sy Lystra koa izy; ary, indro, nisy mpianatra anankiray teo atao hoe Timoty - zanaky ny vehivavy Jiosy izay nino, fa jentilisa rainy -
2. ary tsara laza teo amin'ny rahalahy tany Lystra sy Ikonioma izy.
3. Koa tian'i Paoly ho entiny miaraka aminy izy; dia nalainy izy ka noforany noho ny Jiosy tany amin'izany tany izany, satria fantatr'izy rehetra fa jentilisa rainy.
4. Ary raha nandeha nitety ny tanĂ na tao izy, dia natolony hotandreman'ny olona ireo didy navoaky ny Apostoly sy ny loholona tany Jerosalema.