Asan'ny Apostoly 14:7-11 Malagasy Bible (MG1865)

7. dia nitory ny filazantsara tany.

8. Ary nisy lehilahy anankiray nipetraka tany Lystra nalemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny ka tsy afaka namindra;

9. izy nahare an'i Paoly nitori-teny; ary Paoly, nony nibanjina azy mafy ka nahita fa nanam-pinoana hositranina io,

10. dia niteny tamin'ny feo mahery hoe: Mijoroa amin'ny tongotrao. Dia niantsambotsambotra ralehilahy ka nitsangantsangana.

11. Ary nony hitan'ny vahoaka betsaka izay zavatra nataon'i Paoly, dia nanandratra ny feony ka nanao tamin'ny fitenin'i Lykaonia hoe: Efa nidina nankaty amintsika ny andriamanitra maka ny endrik'olona!

Asan'ny Apostoly 14