Asan'ny Apostoly 13:42-44 Malagasy Bible (MG1865)

42. Ary rehefa nivoaka izy, dia nangatahiny holazaina aminy indray izany teny izany amin'ny Sabata manaraka.

43. Ary rehefa nirava ny fiangonana, dia maro tamin'ny Jiosy sy ny proselyta izay nanompo an'Andriamanitra no nanaraka an'i Paoly sy Barnabasy, izay niteny taminy ka namporisika azy haharitra amin'ny fahasoavan'Andriamanitra.

44. Ary nony tamin'ny Sabata manaraka, dia saiky tafangona avokoa ny tao an-tanĂ na hihaino ny tenin'Andriamanitra.

Asan'ny Apostoly 13