Asan'ny Apostoly 10:13-22 Malagasy Bible (MG1865)

13. Ary nisy feo nanao taminy hoe: Mitsangàna, ry Petera; vonoy, ka hano.

14. Fa hoy Petera: Sanatria, Tompoko! fa tsy mbola nihinana zava-padina na tsy madio aho.

15. Fa hoy ilay feo taminy fanindroany: Izay efa nodiovin'Andriamanitra dia aza ataonao ho fady.

16. Ary intelo no nanaovana izany; dia nakarina tany an-danitra niaraka tamin'izay ilay zavatra.

17. Ary raha mbola nieritreritra tao am-pony Petera ny amin'izay anton'ny fahitana efa hitany, dia, indreo, ny olona izay nirahin'i Kornelio nanontany ny tranon'i Simona ka nijanona teo am-bavahady,

18. dia niantso ka nanontany na mitoetra ao Simona, izay atao hoe koa Petera, na tsia.

19. Fa raha mbola nieritreritra ny fahitana Petera, dia hoy ny Fanahy taminy: Indreo, misy telo lahy mitady anao;

20. fa mitsangàna ianao, dia midina, ary mandehana miaraka aminy, ka aza misalasala, fa Izaho no naniraka azy.

21. Ary Petera nidina tany amin'ireo olona ireo ka nanao hoe: Inty aho izay tadiavinareo; inona no anton'ny ahatongavanareo atỳ?

22. Dia hoy ireo: Kornelio kapiteny, lehilahy marina sady matahotra an'Andriamanitra ka tsara laza amin'ny firenen'ny Jiosy rehetra, dia efa notoroan'anjely masina hevitra hampaka anao ho any an-tranony sy hihaino teny avy aminao.

Asan'ny Apostoly 10