1. Mihainoa izao teny izao, ianareo vantotr'ombivavin'i Basana, izay eny an-tendrombohitr'i Samaria, dia ianareo izay mampahory ny mahantra sy manorotoro ny malahelo ary manao amin'ny vadinareo hoe: MitondrĂ hosotrointsika.
2. Jehovah Tompo efa nianiana tamin'ny fahamasinany hoe: Indro, ho avy aminareo ny andro hitarihany anareo amin'ny farango sy izay sisa aminareo amin'ny fintana.
3. Ary avy eo amin'ny banga no hivoahanareo, samy amin'izay hitsiny avy; Ary horoahina ho any Harmona ianareo, hoy Jehovah.