10. Fa iza no nanamavo ny andron'ny zava-madinika? Ho faly mahita ny pilao eny an-tànan'i Zerobabela ireo fito ireo, dia ny mason'i Jehovah, izay mijery eny tontolo eny eran'ny tany rehetra
11. Dia namaly aho ka nanao taminy hoe: Inona moa ireo hazo oliva roa eo an-kavanan'ny fanaovan-jiro sy eo an-kaviany ireo?
12. Ary namaly koa aho ka nanao taminy hoe: Inona moa ireo sampahon'oliva roa eo amin'ny fantsona volamena izay mampijononoka ny diloilo volamena avy ao aminy ireo?
13. Dia namaly izy hoe: Tsy fantatrao va ireo? Ary hoy izaho: Tsia, tompoko.
14. Dia hoy izy: Ireo no zana-diloilo roa, izay mitsangana eo anoloan'ny Tompon'ny tany rehetra.