3. Ary Josoa nitafy fitafiana maloto ary nitsangana teo anoloan'Ilay Anjely.
4. Dia namaly Jehovah ka nilaza tamin'izay nitsangana teo anoloany hoe: Esory aminy ny fitafiana maloto. Ary hoy koa Izy taminy: Indro, efa nesoriko ny helokao, ary hampiakanjoiko akanjo fihaingoana ianao.
5. Dia hoy izaho: Aoka hasiany hamama madio eo an-dohany. Ka dia nasiany hamama madio teo an-dohany, sady nampitafiny izy; ary Ilay Anjelin'i Jehovah dia nitsangana teo.
6. Ary Ilay Anjelin'i Jehovah nilaza marimarina tamin'i Josoa hoe:
7. Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Raha mizotra amin'ny lalako ianao sy mitandrina ny didiko, dia ianao no hitsara ny amin'ny tranoko sy hitandrina ny kianjako, sady homeko lalana ho amin'ireo mitsangana ireo ianao.
8. Koa mihainoa, ry Josoa mpisoronabe, dia ianao sy ny namanao izay mipetraka eo anoloanao; fa olona atao fahagagana ireo; fa, indro, ho entiko Rantsana Mpanompoko.