Zakaria 1:8-16 Malagasy Bible (MG1865)

8. Nahita tamin'ny alina aho fa, indro, nisy lehilahy nitaingina soavaly mena ka nijanona teny amin'ny rotra teny an-dohasaha, ary teo aoriany nisy soavaly mena sy mavo ary fotsy.

9. Dia hoy izaho: Tompoko ô, inona moa ireo? Ary ilay anjely niresaka tamiko dia nanao tamiko hoe: Izaho haneho anao ny amin'ireo.

10. Ary ralehilahy izay nijanona teny amin'ny rotra dia namaly hoe: Ireo dia nirahin'Jehovah hivoivoy eny amin'ny tany.

11. Ary namaly Ilay Anjelin'i Jehovah nijanona teny amin'ny rotra ireo ka nanao hoe: Efa nivoivoy teny amin'ny tany izahay, ary, indro, ny tany rehetra dia miadana sy mandry fahizay.

12. Ary Ilay Anjelin'i Jehovah namaly hoe: He, Jehovah, Tompon'ny maro ô! mandra-pahoviana no tsy hamindranao fo amin'i Jerosalema sy amin'ny tanànan'ny Joda, izay efa nahatezitra Anao fito-polo taona izay.

13. Dia novalian'i Jehovah teny tsara sy mampionona ilay anjely niresaka tamiko.

14. Ary ilay anjely niresaka tamiko dia nanao tamiko hoe: Miantsoa hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Saro-piaro dia saro-piaro an'i Jerosalema sy Ziona Aho.

15. Ary tezitra indrindra Aho amin'ireo firenena miadana; satria Izaho dia tezitra kely ihany, fa ireo kosa dia nampitombo ny fahoriana.

16. Koa izao no lazain'i Jehovah: Efa tafaverina eto Jerosalema amin'ny indrafo Aho; ny tranoko haorina eto, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, ary ny famolaina hohenjanina eto Jerosalema.

Zakaria 1