1. Ny tonon-kira tsara indrindra, izay nataon'i Solomona.
2. Enga anie ka hanoroka ahy amin'ny fanorohan'ny vavany izy! Fa tsara noho ny divay ny fitiavanao.
3. Mani-pofona ny menakao tsara, menaka manitra voaidina ny anaranao, koa izany no itiavan'ny zatovovavy anao.
4. Taomy aho, dia hihazakazaka hanaraka anao izahay; Nentin'ny mpanjaka ho ao an-efi-tranony aho. Hifaly sy hiravoravo aminao izahay; Hankalazainay mihoatra noho ny divay ny fitiavanao; Fitiavana marina no itiavany anao.
5. Mivalomainty aho, nefa tsara tarehy, ry zanakavavin'i Jerosalema, toy ny lain'i Kedara, toy ny ambain-dain'i Solomona.