Titosy 3:1-6 Malagasy Bible (MG1865)

1. Mampahatsiarova azy hanaiky izay manapaka sy manam-pahefana, hanoa tsara, ho vonona ho amin'ny asa tsara rehetra,

2. tsy hiteny ratsy olona, tsy ho mpila ady, fa ho mpandefitra, maneho ny halemem-panahy rehetra amin'ny olona rehetra.

3. Fa isika koa dia adala fahiny, tsy nanaiky, voafitaka, dia andevon'ny filàna sy ny fahafinaretana maro, ary velona teo amin'ny lolompo sy ny fialonana, sady hala no nifankahala.

4. Fa rehefa niseho ny fahamoram-panahin'Andriamanitra, Mpamonjy antsika, sy ny fitiavany ny olona,

5. dia tsy avy tamin'ny asa amin'ny fahamarinana izay nataontsika, fa araka ny famindram-po kosa no namonjeny antsika, tamin'ny fanasan'ny fiterahana indray sy ny fanavaozan'ny Fanahy Masina,

6. Izay naidiny betsaka tamintsika tamin'ny alalan'i Jesosy Kristy, Mpamonjy antsika,

Titosy 3