Titosy 2:4-11 Malagasy Bible (MG1865)

4. mba hampianarany ny vehivavy tanora fanahy ho tia ny vadiny, ho tia ny zanany,

5. hahonon-tena, ho madio toe-panahy, hiasa ao an-tranony, ho tsara fanahy, hanaiky ny vadiny, mba tsy hitenenana ratsy ny tenin'Andriamanitra.

6. Ny lehilahy tanora fanahy koa anaro hahonon-tena;

7. ka amin'ny zavatra rehetra dia asehoy ny tenanao ho fianarana ny asa tsara, amin'ny fampianaranao maneho ny tsi-faharatsiana, ny fahamaotinana,

8. ny teny tsy misy kilema, izay tsy azo tsinina, mba ho menatra izay manohitra; satria tsy hisy ratsy hitenenany anareo.

9. Ny mpanompo koa dia anaro hanaiky ny tompony ka hanao izay sitrapony amin'ny zavatra rehetra, fa tsy hamalivaly,

10. tsy hangala-tetỳ, fa haneho izay toe-panahy mahatoky indrindra, mba hampahamendrika ny fampianaran'Andriamanitra, Mpamonjy antsika, amin'ny zavatra rehetra.

11. Fa efa miseho ny fahasoavan'Andriamanitra, izay famonjena ny olona rehetra,

Titosy 2