Salamo 96:2-5 Malagasy Bible (MG1865)

2. Mihirà ho an'i Jehovah, misaora ny anarany; Lazao isan'andro isan'andro ny famonjeny mahafaly.

3. Ambarao any amin'ny jentilisa ny voninahiny Ary any amin'ny firenena rehetra ny fahagagana ataony.

4. Fa lehibe Jehovah ka mendrika hoderaina indrindra, Sady mahatahotra, fa ambonin'ny Andriamanitra rehetra.

5. Fa ny andriamanitry ny firenena dia tsinontsinona; Fa Jehovah no nanao ny lanitra.

Salamo 96