Salamo 94:6-17 Malagasy Bible (MG1865)

6. Ny mpitondratena sy ny vahiny vonoiny, Ary ny kamboty dia matiny

7. Fa hoy izy: Tsy mijery Jehovah, Ary tsy mandinika Andriamanitr'i Jakoba.

8. MahalalĂ  ianareo olona ketrina; Ary ianareo adala, rahoviana re no mba ho hendry ianareo?

9. Ny Mpanao ny sofina va tsy handre? Ny Mpamorona ny maso va tsy hahita?

10. Ny Mpampianatra ny jentilisa va tsy hananatra, Dia Izay mampianatra fahalalana ny olona?

11. Jehovah no mahalala ny hevitry ny olona, Fa zava-poana izany.

12. Sambatra izay olona anarinao, Jehovah Ă´, Sady ampianarinao avy amin'ny lalanao,

13. Mba homenao fitsaharana amin'ny andro fahoriana izy, Mandra-pihady lavaka ho an'ny ratsy fanahy.

14. Fa Jehovah tsy mba hanary ny olony, Ary ny lovany tsy hafoiny.

15. Fa ny fitsarana hiverina ho amin'ny fahamarinana, Ary hanaraka izany ny mahitsy fo rehetra

16. Iza no hitsangana ho ahy hisakana ny mpanao ratsy? Iza no hiseho ho ahy hisakana ny mpanao meloka?

17. Raha tsy Jehovah no Mpamonjy ahy, Dia efa saiky nalaky nitoetra tao amin'ny mangingina ny fanahiko.

Salamo 94