Salamo 94:10-20 Malagasy Bible (MG1865)

10. Ny Mpampianatra ny jentilisa va tsy hananatra, Dia Izay mampianatra fahalalana ny olona?

11. Jehovah no mahalala ny hevitry ny olona, Fa zava-poana izany.

12. Sambatra izay olona anarinao, Jehovah ô, Sady ampianarinao avy amin'ny lalanao,

13. Mba homenao fitsaharana amin'ny andro fahoriana izy, Mandra-pihady lavaka ho an'ny ratsy fanahy.

14. Fa Jehovah tsy mba hanary ny olony, Ary ny lovany tsy hafoiny.

15. Fa ny fitsarana hiverina ho amin'ny fahamarinana, Ary hanaraka izany ny mahitsy fo rehetra

16. Iza no hitsangana ho ahy hisakana ny mpanao ratsy? Iza no hiseho ho ahy hisakana ny mpanao meloka?

17. Raha tsy Jehovah no Mpamonjy ahy, Dia efa saiky nalaky nitoetra tao amin'ny mangingina ny fanahiko.

18. Fony aho nanao hoe: Mangozohozo ny tongotro, Dia ny famindram-ponao, Jehovah ô, no nanohana ahy.

19. Raha be ny ahiahy ato anatiko Dia mampifaly ny fanahiko ny fampiononanao.

20. Hikambana aminao va ny seza fiandrianan'ny ratsy, Izay misaina fampahoriana manohitra ny lalàna?

Salamo 94