1. Jehovah, Andriamanitra Mpamaly ny natao, ô, Andriamanitra, Mpamaly ny natao, ô, mamirapirata.
2. Misandrata, ry Mpitsara ny tany, ô; Mamalia ny mpiavonavona.
3. Mandra-pahoviana re ny ratsy fanahy, Jehovah ô, Mandra-pahoviana re no mbola hifalifaly ny ratsy fanahy?
4. Mirezadrezatra sy miteny sahisahy izy; Mirehareha ny mpanao ratsy rehetra.
5. Ny olonao, Jehovah ô, torotoroiny, Ary ny lovanao ampahoriny;
6. Ny mpitondratena sy ny vahiny vonoiny, Ary ny kamboty dia matiny
7. Fa hoy izy: Tsy mijery Jehovah, Ary tsy mandinika Andriamanitr'i Jakoba.
8. Mahalalà ianareo olona ketrina; Ary ianareo adala, rahoviana re no mba ho hendry ianareo?
9. Ny Mpanao ny sofina va tsy handre? Ny Mpamorona ny maso va tsy hahita?